<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Izaho nivily, ka simba ny fo FFPM401</title>
<lyrics>[V1]
 Izaho nivily, ka simba ny fo,
 Nafoiko ny làlana tery ;
 Izaho nanary ny soa sy to,
 Ka resin'ilay mahavery.

[V2]
 Ka nony adala sy mafy ny fo,
 Dia tonga ny Filazantsara
 Naneho ny teny mazava sy to,
 Dia teny izay manambara.

[V3]
 Fa tonga ny Tompon'ny
 lanitra izao
 Hamonjy izay olom-bery ;
 Modia anio, ry havako ô,
 Araho ny làlana tery.

[V4]
 Jesosy nijaly nisolo anao ;
 Ny fony, ny ainy nijaly ;
 Ario ny ratsy, fidio izao
 Ny soa izay mahafaly.

[V5]
 Izaho fahiny nahery nandà
 Tsy nety nifidy ny soa,
 Fa nohon'ny herin'ny afo
 sy ra,
 Nanaiky ny foko fa voa.

[V6]
 Izaho izao dia tretrika am-po
 Fa afaka tsara sy sahy
 Hiala amin-dratsy, hitady
 ny to ,
 Ka mino fa Jeso no ahy.

[V7]
 Ry Jeso Mpamonjy, arovy
 ny fo,
 Ahiko ny fandrika maro !
 Izaho mikasa ao anatin'ny fo
 Hanaraka Anao, ry Mpiaro.</lyrics>
<hymn_number>401</hymn_number>
</song>